Nanamarika tantara ary mbola manamafy izany amin’izao fotoana izao. Mitoetra ho fakan-tahaka ho an’ny rehetra, indrindra ny mpitarika sy mpitondra ny Ampanjaka Toera. Tsy fandresena ara-diplaomatika sy ara-politika fotsiny, fa famerenan-kasina sy ny voninahitra voaroba ny fampodiana ny kabesony.
Tsy nitanondrika hatramin’ ny farany. Notanan’ny Ampanjaka Toera hatramin’ny fotoana farany nahataperan’ny ainy izay fijoroany izay. Betsaka ireo maherifo sy tia tanindrazana nanamarika ny tantaran’i Madagasikara, saingy ny Ampanjaka Toera no mbola manohy izany, efa ho 128 taona taorian’ny nahafatesany. Niady hatramin’ny fara fofon’ainy izy, ho fiarovana ny tanindrazana nanoloana ireo vazaha frantsay tonga nanjanaka. Tsy nijanona teo amin’ny fahafatesany anefa izany adiny izany, fa raha zohina dia mbola nitohy hatramin’izao. Manakoako indray mantsy ny anarany, rehefa tonga amin’ny dingana fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera ny fifanarahan ara-diplaomatika eo amin’i France sy i Madagasikara.
Iza moa ny Ampanjaka Toera?
Misy ny lalana Ampanjaka Toera, etsy Soarano. Fa firy tamin’ireo izay nandalo teo no nahalala ny tantarany hatramin’ izay? Amin’izao vanim-potoana hanaovana serasera be momba azy izao indray kosa vao manomboka mahafantatra azy tsikelikely ny rehetra. Nandritra ny fanjakan-dRanavalona III sy ny Praiminisitra Rainilaiarivony, tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 no nisisika an-kery hiditra teto ny tafika frantsay. Indroa miantaona ny fanafihana mahery vaika, ny taona 1881 sy 1882 ny voalohany, ary ny taona 1894 sy 1895 ny faharoa. Mafy ny fanafihan’ny Frantsay fa tsy nilefitra ihany koa ny fanoherana nataon’ny Malagasy. Mazava loatra fa tsy ny taty anivon-tany irery no niatrika ny fanoherana ireo mpanjanaka fa ny tany anindrana no nisedra voalohany ny fanafihana amin’ ny maha Nosy an’i Madagasikara…
Mafy indrindra ny fanoherana tany amin’ny faritra Menabe, satria nanana an’Andriamilafikarivo na ny Ampanjaka Toera ho mpitarika izy ireo. Nanana fahefana lehibe teo amin’ny foko Sakalava izy, ary voalazan’ireo mpandalina tantara fa mpitarika nanam-pahendrena sy paikady, ary nijoro amin’ny maha mpitarika fa tsy nihemotra tamin’ny ady nilofosany.

Nanahirana an’i Galliéni
Nalefan’ny fanjakana frantsay manokana hifehy ny fanjanahana an’i Madagasikara i Galliéni ny taona 1896. Nomena ny fahefana feno ara-sivily sy miaramila izy, ka nalaza tamin’ ny habibiana amin’ny fanatanterahana ny toromarika azony. Nanahirana azy kokoa ny fifehezana an’i Menabe noho Antananarivo, izay misy ny mpanjaka sy ny praiminisitra. Nahatonga ny fandraisan’i Galliéni
ny fepetra faran’izay henjana indrindra: hatao vonomoka ny mpanohitra ny mpanjanaka rehetra, hampihorohoroana ny sisa velona.
Tsy azo kosehina amin’ny tantaran’i Menabe manokana, sy ny tantaran’i Madagasikara manontolo, ny alin’ny 29 hifoha 30 aogositra 1897. « Tamin’ny 29 aogositra 1897, nitoby tao amin’ny toerana iray tsy lavitra an’Ambiky, ny miaramilan’ny kaomandà Gérard. Tamin’io andro io ihany, tonga nanatevin-daharana azy ireo i Enseigne de Vaiseau Blot, mpifehy ny sambo mpiady La Surprise, niaraka tamin’i Samat, mpivarotra. Nandeha alina nanaraka ny ony Tsiribihina izy ireo, niaraka tamin’ny miaramila vitsivitsy sy ny tantsambo tao amin’ny La Surprise. Ny alin’io ihany, efa nataon’ny miaramila frantsay fahirano ny tanànan’ Ambiky. Ny marainan’ny 30 aogositra, mbola maizimaizina, notampohina tamin’ny torimasony ny mpanjaka Toera sy ireo miaramilany. Tsy nisy fotoana ho azy ireo hamerina fiadiana satria tampoka loatra ny fanafihana. Niparitaka nandositra ny mponina tao Ambiky, nefa efa niandry azy ireo ny tifitra variraraka sy ny benitra miranirany”, hoy ny fitantarana tao amin’ny boky nosoratan’ny kapiteny Condamy, mitondra ny lohateny hoe: Méthode de guerre coloniale. Conquête du Menabe à Madagascar (1891-1902).
Samihafa anefa ny nambaran’ireo nanoratra tantara, arakaraka izay nampety azy. 100, 500, 1 000 no maty hoy ny sasany. Nahatratra 5 000 kosa hoy ny solombavambahoaka frantsay, Paul Vigné D’Octon. Misy ireo niteny fa ny zaza amam-behivavy sisa no tsy novonoina tao Ambiky tamin’io fotoana
io. “Maty avokoa ireo vahoaka niaraka tamin’ny Ampanjaka Toera”, hoy hatrany ny fanamafisana nataon’i Paul Vigné d’Octon. Samy frantsay ireo nanoratra ny tantara, ary izy ireo ihany no tsy nitovy fijery…
Ny nitoviana anaty tantara kosa: nozimbazimbaina, norasaina ny vatan’ny ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafiny, ka nentin’ireo frantsay nody natao ho loka azo an’ady ny karandohany. Nipetraka an-taonany maro tao amin’ny “Musée de l’Homme” tao Paris ireo kabeso ireo. Naranty naderadera amin’ ny maha mariky ny fandresena miezinezina ho an’ny Frantsay, saingy tsy faran’ny ady ho an’ny Malagasy…
Maninona no zava-dehibe ny fampodiana ireo kabeso?
Anisan’ireo foko mitandro, mitana ary sarotiny amin’ny fomban-drazana ny sakalava. Nitohy isan-taranaka ny fandalana izany, ary tena fanimbazimbana lehibe indrindra ho azy ireo ny nanaovan’ny Frantsay ny Ampanjaka Toera. Tsy mba anisan’ireo anaovana “Fitam-poha”, izay hetsika manan-danja indrindra ho an’ny foko Sakalava ny Ampanjaka Toera, noho ny tsy fahafenoana amin’ ny karany. Araka izany, efa an-taonany maro ireo taranany no nangataka ny mba hamerenana ny kabesony, sy hanaovana famerenan-kasina. Antony lehibe izay, araka ny fomba ara-drazana.
Antony lehibe faharoa: Tohin’ny ady natomboky ny Ampanjaka Toera, ka nivadika ho fitakiana mba hisian’ny filaminana ara-diplaomatika eo amin’ i France sy i Madagasikara. Namaly ny fangatahan’ny fianakaviana sy ny foko Sakalava ny fitondram-panjakana, izay nambaran’ny filoha Rajoelina ampahibemaso, nandritra ny lanonana natao tao Anatirova, ny 6 novambra 2020. “Tsy maintsy ataontsika izay hampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera”, hoy izy, tamin’io. Avy hatrany dia nandray an’izay ho baiko ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ka nitarika ny adisisika rehetra ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, tamin’ izany fotoana. Dingana maro no efa vitan’ny ekipa voalohany, izay notohizan’ny ekipan’ny minisitera taty aoriana ka tonga amin’izao fampodiana izao.
Lanonana manetriketrika
Efa tontosa iny ny famoahana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, sy ny an’ireo mpitari-tafika roa lahy tao amin’ny “Musée de l’Homme” tao Paris, ka nalefa ao amin’ny Masoivohon’i Madagasikara. Hanaovana lanonana manetriketrika kosa ny fandrasana izany aty. Ho tonga ny talata 2 septambra izao ireto “zava-masina” ireto. Hisy ny fitsenana, izay hanentanana ny mponin’Antannarivo, manomboka eny Ivato, mandalo ny Lac Iarivo, Tsarasaotra, Ankorondrano, Antanimena, “lalana Toera” eny Soarano”, “Araben’ ny Fahaleovantena”, Lapan’ny Tanàna, Ambohijatovo, Ankorahotra, Antanimora, Mausolée, Ampasampito, Mahazo, Rocade, By-Pass, Iavoloha ka handray ny lalam-pirenena fahafito, mialoha ny hihazoana an’i Morondava, izay toerana hanaovana ny lanonana ara-drazana.
Araka ny fanasana efa nalefan’ny taranaky ny Ampanjaka Toera, efa nanomboka omaly alakamisy ny tsokimotro sy tsimandrimandry, nampiditra ny lanonana ara-drazana rehetra mialoha ny hametrahana ny kabeso amin’ny zomba efa voafaritra. Ny zoma 5 septambra kosa no hifarana izany.
Nangonin’i Zo ny Aina Randriatsiresy




