Fahombiazana no azo ilazana ny hetsika fanentanana momba ny fampinonoan-dreny nimasoan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manerana ny Nosy, nandritra ny herinandro.
Manao ho vaindohan-draharaha ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny fanjakana. Misoratra mazava ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana rahateo izany.
Antoka fototra hiantohana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny fampinonoan-dreny. Nanamarika izany ireo mpiasan’ny fahasalamana maro manerana ny Nosy, amin’ny alalan’ny fanentanana marolafy. Nisy ny fampianarana ny fomba fampinonoana lavorary, ny fanamafisana ny anjara toeran’ny fampinonoan-dreny ny zaza ao an-tokantrano. Teo koa ny fanamafisana ny fisorohana ny aretina amin’ny fanaovam-baksiny sy ny fizarana ireo tokony hataon’ny reny mandritra ny 1 000 andro voalohan’ny zaza.
Nanampy tamin’ny fandresen-dahatra ireo reny amin’ny vokatsoa entin’ny fampinonoana ny zaza ny fanentanana. Nampahafantarina azy ireo fa voaaro kokoa amin’ny aretina ny zaza minono fotsiny mandritra ny enim-bolana. Miavaka kely amin’ny tanjaka sy hakingan-tsaina ary fahavitrihana ny zaza minono amin-dreniny, araka ny tokony ho izy, raha oharina amin’ireo tsy mba afaka misitraka izany.
Sakafo tonga lafatra ho an’ny zaza ny fampinonoan-dreny ary manatsara sy manamafy ny fifandraisana akaiky eo amin’ny roa tonta. Manamafy ny hery fiarovana ihany koa.
Tatiana A




