Manara-maso ny fampiharana ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny sambo sy ny seranan-tsambo na kaody ISPS ny Programa iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny seranan-tsambo (IPS) ny avy amin’ny Tafika an-dranomasina amerikanina U.S. Coast Guard.
Nanatanteraka izany izy ireo ny herinandro teo ka nihaona tamin’ny ekipan’ny APMF Madagascar sy ireo mpiasan’ny fiarovana ny seranan-tsambo ao an-toerana.
Seranan-tsambo mandray anjara amin’ny varotra iraisam-pirenena ny ao Toamasina, ary manara-maso ny fampiharana ny fepetra fiarovana efa napetraka ny ekipa misahana izany.
Voasolo tena ny programa IPS avy any Japana, Eoropa, sy Virginia (Etazonia). Noresahina ny fomba hampiharana ny drafitra fiarovana ny seranan-tsambo amin’ny alalan’ny fametrahana ny rafitra. Teo koa ny fifehezana ny fidirana sy fivezivezena, ny fanaraha-maso ny fomba fiasa sy ireo fepetra fiarovana manaraka ny kaody ISPS.
Tatiana A




