Andro afrikanina ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana : Zavamaniry 15 000 karazana azo hitsaboana

Ho fanamarihana ny Andro afrikanina ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana, omaly, nisy ny fivoriana niarahan’ny mpitsabo amin’ny alalan’izany sy ny mpamokatra fanafody avy amin’ny zavamaniry efa nahazoana ny Autorisation de mise sur le marché (AMM), teny Anosy. “Ny 90% ny mpitsabo nentim-pahazarana dia mampiasa zavamaniry avokoa ankoatra ny mampiasa otra sy ireo mampiteraka ary ny ma­mora zaza”, hoy ny filohan’ny fikambanam-pirenen’ny mpi­tsabo nentim-paharazana eto Madagasikara (ANTM), Andriamasivelona Josephin.
Efa handray ny faha-30 taona ny fankalazana izay tanterahina isaky ny 31 aogositra manerana an’i Afrika.
Vokatry ny zavamaniry no nampirantiana teny Anosy satria io no nampiasain’ny Malagasy hatramin’izay, fony tsy nisy sehatra maoderina, talohan’ny taona 1896. Ny raokandro mikirakira ny zavamaniry ampiasaina amin’ny ala­lan’ny haren-tsaina malagasy ary manana 15 000 karazana no nitsaboana ny olombelona. Ny 80% ny zavamaniry dia tsy hita afa-tsy eto amintsika, izay lasa kolontsaintsika. Taty ao­riana, niofo ny olona ary nisitaka tamin’ny raokandro mala­gasy, raha ny nambarany. 80% ny fiarahamonina mbola mampiasa ny fitsaboana nentim-pahazarana amin’ny endriny maro, misy ampahany mampivady azy eo koa ireo tsy mampiasa noho ny finoana, fitaizana avy any ivelany
Tsy mampiasa dokambarotra ny fitsaboana nentim-paharazana satria tafiditra amin’ny rafi-pitsaboana fehe­zin’ny lalàna mifehy ny fahasalamam-bahoaka izy ireo.

Vonjy

 

Partager sur: