Miompana amina karazana fandaharanasa maro ny tetikasa “Haratonaina”, izay fomba isintonana ny ankohonana marefo avy ao anaty fahantrana lalina. Ho an’ireo fandaharanasa fiahiana ny mpiara-belona an-tanàn-dehibe manokana, nisy ireo fiofanana marolafy, toy ny fanamboarana mofomamy, fikojakojana ny endrika amam-bika, zaitra, rafitra….
Tanterahina eny anivon’ny Sehatra Mahasoa kosa ny fizarana sy ny fampitana ny fahaiza-manao. Eny amin’ny Sehatra Fanatsarana ny famokarana. Eny anivon’ny Saha Sekoly ny fampianarana ny teknika ho an’ny fambolena sy fiompiana manokana.
Natao ho an’ny rehetra, amin’ny alalan’ny fifanakalozana sy fampiharana mivantana izany, ka manamafy ny fifandraisan’ny mpiray monina.
Ny tetikasa “Mijoro” izay fandaharanasa fiahiana ireo tokantrano marefo an-tanàn-dehibe, hahazoana tombontsoa ialana amin’ny fahantrana
Mpisehatra ifotony nahazo fiofanana manokana, avy amin’ireo teknisiana manana traikefa amin’izany, no mizara amin’ireo vondrom-piarahamonina.
Fanoitra entina miady amin’ny fahantrana ireo fahaiza-manao ireo. Manosika ny mpisitraka handraharaha sy hamorona asa.
Tatiana A




