Manomboka miditra tsikelikely ny mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana, amin’ity herinandro ity. Amin’ny herinandro ambony kosa no hanatanteraka izany ny sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy.
Ny 2 sy ny 3 septambra izao no hanatanterahan’ny Madajeunes ny hetsika “Salon des études supérieures” andiany faha-22. Sehatra iray ho an’ireo vao afaka fanadinana bakalorea hisafidy ny lalam-piofanana harahiny sy hitadiavana oniversite ity hatao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ity.
Toliara indray no handray ny hetsika fihaonamben’ny SPSM andiany fahefatra, amin’ny taona hoavy. Fotoana hanehoan’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra ny firaisankina sy ny fiombonana aina amin’ny asa.




