Nisy ny atrikasa notanterahin’ny Direction d’apprentissage et de la formation qualifiante sy ny Direction d’ingénierie de formation et pédagogie, izay sampandraharaha eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, tamin’iny herinandro iny. Nifantoka tamin’ny fanavaozana ny taranja Fampianarana momba ny fandraharahana izany, ho fampifanarahana ny votoaty sy ny fomba fampitana fahaizana ary ny fomba fanombanana ho an’ny Formation professionnelle initiale, taona voalohany hatramin’ny taona fahatelo sy ny Formation professionnelle qualifiante eny amin’ny ivontoeram-panofanana teknika rehetra manerana ny Nosy.
Mivoatra hatrany ny fomba fiasa eny an-kianja. Mpanentana ara-pahasalamana sy mpiasa sosialy miisa 84 nomena fiofanana momba ny fampiasana ny teknolojia vaovao mba hahafahany manaraka tsara ny fanjarian-tsakafo sy ny fiahiana ara-tsosialin’ny ankizy, hoy ny Unicef.
Nahazo toerana fikirakirana fako avy nampiasaina ny CHU Analankininina, Toamasina. Ahitana fitaovana fandorana fako avo lenta manaja ny tontolo iainana sy miaro ny fahasalaman’ny manodidina ny fotodrafitrasa vaovao. Efa misy fanavahana ny karazana fako koa hanamora ny fitantanana azy. Nahazo fiofanana rahateo ny mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpanadio.




