Hiatrika ny taom-pianarana vaovao ny mpianatra. Amin’ny ankapobeny, tsy hisy loatra ny fiovana… Ny fanabeazana, indray iainana isan’andro. Miankina bebe kokoa amin’ny zava-misy isan-tsehatra. Ireo rehetra ireo, azo itarafana ny maha Malagasy…Ho hita ve ?
Tontolo roa mifampiankina, mifamatotra, mifameno ny fanabeazana sy ny fampianarana. Iray amin’ireo lasitra hamolavolana ny maha olona (saina, vatana, fanahy) sy ny maha izy ny tsirairay (toetra, fomba fisainana sy fandraisan-javatra…). Ny fanabeazana, saika ahitana azy avokoa ny sehatra rehetra. Zary manabe na mpanabe avokoa izay hitan’ny maso, ren’ny sofina, tsapan’ny tanana, sns. Ny fampianarana indra, amin’ny ankapobeny, miditra any amin’ny varavaran-tsekoly no mandranto azy.
Na fanabeazana na fampianarana, tsy maintsy mamela dindo ho an’ny olona tsirairay. Avy amin’izany no ahitana miharihary fa mbola tena lavitra ny «maha Malagasy» izy ireo. Kely dia kely no ahatsapana fa Malagasy, na taranaka Malagasy no nobeazina sy nampianarina. Na ny miteny ny tenin-drazana aza, tsy hay intsony. Ny fomba fisainana, diso lalana. Mihevi-tena fa vahiny… Kely dia kely ny ahitana fa Malagasy ilay nanabe sy ilay nampianatra. Fanabeazana sy fampianarana ary rafitra mifanarana sy sahaza ny Malagasy no nomen’izy ireo.
… Hafahafa sy tsy mahazo aina ny ray aman-dreny raha tsy beazina amina fomba hoentin’ny vahiny manabe ny taranany ny zanaka malagasy. Any amin’ny sehatra rehetra, saika ahitana io tranga io avokoa. Amin’izao vanim-potoana izao no ahitana ray aman-dreny midedaka sy mirehareha fatratra fa tsy mahay na tsy mahazo izay ambara amin’ny fiteny malagasy ny zanany. Vao teraka, omena anarana vahiny tsy fanta-pototra akory fa mahafinaritra ny sofina «hono» ny mandre azy. Miharihary avy hatrany fa na ny dika sy ny hevitra fonosin’ny atao hoe «anarana» aza tsy fantatry ny ray aman-dreny ankehitriny akory. Satria, tsy nobeazina amin’ny maha Malagasy azy izy ireo.
HaRy Razafindrakoto




