“High School Scholarship »: Vatsim-pianarana omen’Ambatovy an’ireo mpianatry ny Lycée

Manome tohana mitohy eo amin’ny lafiny fampianarana, manomboka amin’ny ambaratonga faharoa hatrany amin’ny Oniversite, izay haharitra 10 taona Ambatovy, noho ny fisian’ny fandaharanasa vaovao. Manomboka amin’ny taona faha-6 amin’ny ambaratonga faharoa ka hatrany amin’ny taona fahatelo eny amin’ny Oniversite izany.

Manamafy ny fandraisany andraikitra amin’ny fanohanana ny fanabeazana ao anatin’ny faritra iasany Ambatovy amin’ny alalan’ny fanombohana ny fandaharanasany vaovao “High School Scholarship”. Hanome vatsim-pianarana ireo mpianatry ny Lycée izy io. Ho an’ity taom-pianarana 2025-2026 ity, mpianatra mendrika 56, avy amin’ny fianakaviana ma­refo ao anatin’ireo distrika efatra voakasiky ny asan’Amba­to­vy (Toamasina I sy II, Bri­c­ka­ville ary Moramanga), no hi­sitraka ny tohana, hahafa­han’ izy ireo hanohy fianarana eny amin’ny Lycée. Sokajiana ho roa ny mpianatra hisitraka ny fandaharanasa. Eo ireo nisitraka vatsim-pianarana avy amin’Ambatovy ho an’ny amba­ratonga faharoa ary na­homby tamin’ny fanadinana BEPC. Ireo mpianatra vaovao mendrika avy amin’ny fianakaviana marefo sy sekoly manodidina ny toerana iasan’Amba­to­vy nahazo salanisa 12/20 na mihoatra tamin’ny fanadinana BEPC teo kosa ny faharoa.
16 tamin’ireo mpisitraka 56 no efa nahazo vatsim-pianarana tamin’ny alalan’ny fan­daha­ranasan’Ambatovy na­nom­boka ny taona 2021 ary afaka BEPC tamin’ity taona ity.
Nomarihina niaraka tamin’ ny fanombohana ny fandaharanasa izany fahombiazana azon’izy ireo tamin’ny fanadinana izany, tao Toamasina. Hiantoka ny saram-pianarana, fitaovam-pianarana, fianarana teny vahiny ary fandaniana hafa mahakasika ny fianaran’izy ireo ny vatsim-pianarana.
Hanampy ireo tetikasa maro samihafa efa nataon’ny orinasa hanohanana ny fanabeazana ity fandaharanasa vaovao ity ary manaporofo ny fandraisany andraikitra maharitra amin’ny fanampiana ny ta­nora sy ny fampandrosoana eo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena eto Madagasikara.

Vonjy

Partager sur: