Lanonana roa sosona no notanterahina ao Maintirano, faritra Melaky. Ny lalaon’i Melaky sy ny festival Barea andiany voalohany. Haharitra 10 andro ny hetsika, izay nohararaotina amin’ny fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana.
Niresaka momba ny fanamafisana ny fiaraha-miasa efa nisy ny teo amin’ny MTEFoP sy ny masoivohon’i Inde. Lafim-piaraha-miasa maro no nifanakalozan-kevitra, ka anisan’izany ny fanamafisana ny traikefan’ireo mpiasam-panjakana malagasy hanovo fahalalana any amin’ny Centre national pour la bonne gouvernance (NCGG) any Inde.
Tokantrano 8 000 ao amin’ny kaominina 11 ao Farafangana no nahazo tantsoroka samihafa avy amin’ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny fandaharanasa VatsinAnkohonana. Ankoatra ny tantsoroka ara-bola dia entanina amin’ny ady amin’
ny herisetra, ny fanaovana ny kopiam-pahaterahana ho an’ny zaza, ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly ireo ankohonana ireo.




