Ankizivavy roa tsy ampy taona tra-tehaky ny Polisy niditra tao amin’ny toerana tsy azo idiran’ny zaza tsy ampy taona tany Ambatondrazaka. Hita nandritra ny fanaraha-maso ireo toeram-pisotroana sy toeram-pialamboly rehetra misokatra amin’ny alina, nataon’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisaria Ambatondrazaka, ny alatsinainy teo, izany. Niarahan’izy ireo tamin’ny Brigade féminine de proximité (BFP) Alaotra Mangoro. Tanjona ny hanamafisana ny fandriampahalemana sy hampanarahan-dalàna ireo toeram-pialamboly sy bar-karaoké malaza any an-toerana.
Lehilahy roa tratra nangalatra fandribaratra mipetaka amin’ny andrin-jiron’ny Jirama tany amin’ny fokontany Imerintsiafindra, kaominina Ambatomirahavavy, distrika Arivonimamo, ny alatsinainy teo. Nidina nijery ny zava-misy ny zandary telo lahy avy ao amin’ny tobim-paritra Ambatomirahavavy taorian’ny antso. Lehilahy roa no tazana nanatsofa fil teo am-pototry ny andrin-jiro. Tratra teny amin’izy ireo koa ny fitaovam-panapahana sy fil 45 metatra vao avy nangalarina.




