TSELATRA

Tafakatra 35 ireo maty tamin’ny raharaha fahapoizinana niseho teny Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. Tovovavy 20 taona antsoina hoe: Deborah indray no namoy ny ainy, omaly maraina. Efa nandroso fahasalamana izy taorian’ny fitsaboana natao taminy. Saingy niha sempotra sy niha mafy indray izany taty aoriana ka tsy maintsy naiditra tetsy amin’ny IMM Ampefiloha. Tsy tana anefa ny ainy taorian’ny fialana nenina.
Lehilahy miisa efatra tratra nitondra rongony tetsy amin’ny Boriborintany VI Ambohimanarina, afakomaly. Nifanehitra tamin’ny polisy nanao fisafoana teny an-toerana izy ireo. Tafiditra anatin’ny hetsika fitandroana ny filaminana izao. Natao hiadiana amin’ny halatra isan-karazany, ny asa fanendahana ary ny fidorohana zava-mahadomelina ihany koa.
Nodorana tany Betroka, afakomaly tamin’ny 05 ora hariva, ireo rongony milanja 1 050 kilao, notsinjaraina tamin’ny gony 94 isa. Zava-mahadomelina tra-tehaka ny volana oktobra 2024 lasa teo ireo. Tratran’ny zandary avy amin’ny tobim-paritr’i Betroka ny 56 gony tamin’ireo. Raha toa ka azon’ny Polisim-pirenena ny 38 gony. Na­natanteraka ny fandorana izany ny eo anivon’ny OMC distrika an’i Betroka.
Lavon’ny balan’ny zandary avy amin’ny tobim-paritr’i Marovoay, afakomaly tamin’ny 06 ora maraina, ny jiolahy iray. Hita niafina tao an-tranony izy io. Nasaina nivoaka fa namaly tamin’ny sabatra ary nandositra. Voa­tery nitifitra ny zandary ka nahalavo azy. Nokarohina nanomboka ny talata lasa teo, tamin’ny 5 ora hariva izy io, noho ny resaka fanafihana.

Partager sur: