Tetikasa “Mahavotra” : Ho matihanin’ny tontolo ambanivohitra ireo tantsaha

Miara-dalana amin’ny tetikasa “Mahavotra” amin’ny fanapariahana ny teknika agro-écologique ireo Maître exploitant nampiofanin’ny Agrisud tao anatin’ny 14 taona.

500 mahery kely ny isan’ny Maître exploitant nampiofanin’ny Agrisud, anatin’ny tetikasa “Mahavotra”, izay misy andiany dimy, hatramin’izao. Amin’ireo niofana tao anatin’ny andiany valo, 450 mahery no mbola am-perinasa, araka ny fanazavan’ny teknisianina ao amin’ny Agrisud, Andriana­solo Antonio Rakotoson. Ny tetikasa mamboly hazo sy voankazo ho antoky ny tontolo rahampitso (Mahavotra) nentin’ny Agrisud international, nanomboka ny taona 2011 ho an’ny faritra Itasy, dia fiaraha-miasan’ny faritra sy ny Nouvelle Aquitaine. Teny am-piadohana, nohadihadiana ny olan’ny tantsaha, nandritra ny taona 2009-2011, ary nivoaka ny tatitra fa mahay mamboly ny tantsaha fa tsy voafehiny ny teknika hampitomboana ny vokatra sy ny fitantanana azy. Taorian’izay, teraka ny tetikasa « Mahavotra » andiany voalohany (taona 2011-2015) ka natao matihanina ny tantsaha ao amin’ny faritr’Itasy amin’ny fanohanana ny teknika fambolena ho an’ny tantsaha ao amin’ny kaominina Analavory. Paikady nampiasaina koa ny fanofanana olona eny ifotony afaka mifampiresaka amin’ny tantsaha mitovy aminy ary olona mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana. Misy ny fepetra nakana azy ary nampiofanina teny amin’ny centre CRFPA Tanetimbohangy, faritr’Itasy, momba ny fototry ny fambolena sy ny fiompiana, ny fanajariana tany, ny famokarana zezika ary ny fomba fitondrana fiofanana. Nandritra ny herinandro izany. Nitohy tamin’ny fiofanana manokana araka ny filana izany, ohatra, ny momba ny vary SRI, mangahazo grefy, famafazana tongolo… Nantsoina hoe « maître exploitant (Mex) » ireo avy niofana, izay sady tantsaha mpampiofana no mpamokatra ary miasa eo ambany fiahian’ny faritr’Itasy.

Miarina tsikelikely ny tany

Mampiavaka ny tetikasa ny fambolena hazo ala sy hazo fihinam-boa ary ny teknika fanajariana ny tany. Ho an’ny tany misolampy, mety ny fambolena azo ala, ho an’ny toerana mahazo rano, hazo fihinam-boa. Narenina amin’ny soritra mirahaabo kosa ny toerana misolampy ho azo hambolena voly atao sakafo. Sady tsy hanahirana ireo tantsaha ny teknika satria tsy mandany vola no sady azony atao tsara. Miarina tsikelikely ilay toerana misolampy aorian’ny telo ka hatramin’ny dimy taona nikarakarana azy.
Nanomboka ny taona 2016, ny “Mahavotra” faharoa, izay manampy kaominina 10, indrindra amin’ny fanodinana vokatra. Nanofana tanora ho mpanodim-bokatra toy ny mananasy, mangahazo, vo­man­ga … indray ny tetikasa.
Ankoatra izay, nanampy ny kaominina manodidina ny farihy hamolavola ny drafi-panajariana kaominaly (Sac) ho an’ny kaominina roa indray ny tetikasa. Niampy fito taty aoriana. Amin’izao fotoana izao, kaominina sivy no efa manana Sac.
Ho tapitra ny volana desambra 2026 ny “Maha­votra” andiany fahadimy, manomana ny fisintahan’ny tetikasa ny teknisianina ka ankoatra ny Mex sy ny Sac voavolavola, manoratra tetikasam-pampandrosoana miaraka amin’ny kaominina izy ireo, hitadiavana mpamatsy vola.

 

 

Partager sur: