Niofana ho Maître exploitant (Mex): Nivoatra ny fiainan-dRamaholiarimanana Vololomboahangy mianakavy

Iray amin’ireo Maître ex­ploitant (Mex) nofanin’ny Agri­sud Ramaholiarimanana Volo­lom­boahangy Pascaline, ao amin’ny fokontany Tane­tibe, kaominina Analavory, distrikan’i Miarinarivo, tamin’ny andiany faharoa, ny taona 2014.
Nanomboka teo no niara-niasa tamin’ny tetikasa izy ary nahatsapa fa nitombo ny velaran-tany nambolena rehefa nanao “courbe de niveau” ary niakatra koa ny lanjam-bokatra. Nihena ny fandaniana rehefa tsy nampiasa zezika simika fa compost no natao, raha ny fanazavany. Sady voaaro ny nofon-tany no ni­tombo ny velaran-tany ambolena. Tantsaha mpampiofana izy ka 100 mahery ireo olona efa nampiofaniny teo an-toerana ary mihoatra ny 500 ho an’ny olona ivelan’ny kaominina, nandritra izay fotoana izay. Ho an’ny vary an-tanety novolena teo, tsara ny vokatra satria nanome valo kitapo. Nampivady sy nampifandimby voly izy. Mihena ny masomboly ampiasaina, teo aloha 2 kg ny ketsa ho an’ny tanimbary 1ara, ankehitriny iray kapoaka sisa dia ampy rehefa narenina ny tanimboly.
Vehivavy ny ankamaroan’ireo nampiofaniny ary mampihatra mihitsy izy ireo avy eo. Ankoatra ny fambolena, mampiofana momba ny fiompiana kisoa sy akoho izy. Sandaina ny fampiofanana fa tsy maimaimpoana satria tokony hampidi-bola ho an’ny Mex.
Misy ireo tantsaha mpiara-monina tsy resy lahatra hanaraka fiofanana nefa maka tahaka ny teknikam-pambolena ampiasain’izy telo mianaka ihany, raha ny fanazavany.

Nanatontosa : Vonjy A.

Partager sur: