Nanatanteraka atrikasa momba ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny asa antoka mialoha (AA) sy ny fitohizan’ny fikarakarana ny olona tratran’ny tsy fahampian-tsakafo mafy (Pecmas) raha misy loza tampoka ny BNGRC sy ny ACF.
Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo rafitra voakasika amin’ny fanatanterahana ny asa fisorohana mialoha ny tranga tsy fanjarian-tsakafo sy ny fitantanana ny loza (GRC).
Kendrena koa ny hampahafantatra ny vokatra azo avy amin’ny fifampidinihana natao tany amin’ny fiarahamonina sy ny manam-pahaizana ao amin’ny faritra Androy.
Ankoatra izany, ny hamantatra sy hanamafy ireo fomba ahafahana mampiditra ny Pecmas ao anatin’ireo tatitra AA sy GRC efa misy.
Zava-dehibe hiantohana ny fiomanana sy fihetsika ara-potoana amin’ny loza mety hitranga ity atrikasa ity. Hiarovana ny fahasalaman’ny mponina ihany koa, indrindra any amin’ny faritra marefo amin’ny tsy fahampian-tsakafo mafy.
Mbola hita amin’ny faritra maro eto Madagasikara ny olona tsy ampy sakafo na tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Voakasik’izany ny any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, izay tsy dia mamokatra noho ny toe-tany sy ny tsy fahampian-drano izay nanaovan’ny manam-pahaizana fanadihadiana manokana.
Tatiana A




