INDRAY MIJERY

Nosokafana tamin’ity herinandro ity ny « Salon de l’étudiant » andiany fahatelo, ho an’ny faritanin’­ Antananarivo, karakarain’ny ivontoeram-pikarohana momba ny Torohay sy fahalalana siantifika ary tekinika (CIDST). Tanjona ny hanampy ny ray aman-dreny sy ny tanora amin’ny fanomanana ny hoaviny. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana izany. Sehatra iray hanomezana fahafahana ireo tanora hifandray amin’ireo ivontoeram-pampianarana ambony sy fanofanana. Haha­fantarany ny safidy sy ny lalana azony arahina ihany koa ny hetsika. Maherin’ny 75 ireo mpampiranty nandray anjara, ahitana ivontoeram-pampianarana ambony nahazo fankatoavana avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, sy ireo ivontoeram-panofanana ho mpiasam-panjakana.
Mitohy hatrany ny hetsika « Fijery hafa” ao amin’ny faritra Analanjirofo. Mikendry ny hanome fahaiza-manao azo ampiharina ho an’ny tanora eny ifotony izy ity. Tao Fenoarivo Atsinanana no nanatanterahana ireo fiofanana maimaimpoana niompana tamin’ny sehatra informatique, maçonnerie polyvalente, rafitra hazo sy vy. Manampy ny mpiofana hahazo fahalalana sy traikefa hanamora ny fidirany amin’ny sehatry ny asa na hanombohany ny fandraharahana ireo fiofanana atao ireo.
Nampiharina nanomboka ny zoma 29 aogositra lasa teo ny fifanarahana mahakasika ny tetikasa « Transformation de l’accès et de l’apprentissage à Madagascar » (Talim) sy ny « Accord de don du GPE » rehefa lany tsy nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimiera roa tonta. Voarain’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fanambarana fa manan-kery izany ka hirosoana ny fanatanterahana ny tetikasa. Ny Talim izay miompana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fanatsarana ny politikan’ny fampianarana, ny fizarana boky ho an’ny mpianatra, ny fampisakafoana an-tsekoly ary ny fananganana trano fianarana.

Partager sur: