Nahazo fitaovam-pianarana avy amin’ny fikambanana Rotary Mahamasina ny mpianatra 270 avy amin’ny kilasy Asama mianatra eny anivon’ny sekoly valo eto Antananarivo. Hetsika efa fanao nandritra ny taona maro ny fampitaovana ahazoan’ny ankizy miatrika fanadinana rehefa tapitra ny taom-pianarana.
Ho fiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2025-2026, nanolotra fitaovam-pianarana (kitapo, kojakojam-pianarana, aronakanjo…) ny faran’ny herinandro teo, teny Antanimena ho an’ireo kilonga mianatra ao anatin’ny kilasy Asa sekoly avotra malagasy (Asama) valo amin’ny fokontany dimy ny mpikambana ao amin’ny Rotary Antananarivo Mahamasina toy ny fanao isan-taona nandritra ny 15 taona. Mpianatra niala an-daharana na koa tsy mbola nandia sekoly no avondrona amin’ny kilasy iray ary omena fahalalana mandritra ny 10 volana ka hiatrika ny fanadinana CEPE aorian’izay. Ho an’ny kilasy Asama tohanan’ny Rotary Mahamasina, mahafapo hatrany ny vokatra ka nahazo taham-pahafahana CEPE 85,1%, hoy ny filohan’ny fikambanana Razafintsalama Gil. Iantohana ny sakafo sy ny fitaovam-pianarana ary ny karaman’ny mpampianatra hisahana ireo ankizy 270 mandritra ny taom-pianarana. Avy amin’ny fianakaviana marefo amin’ny fokontany dimy izy ireo : Anosipatrana, Ivandry, Soavimasoandro, Ambolokandrina, Ambohitrimanjaka. Hampiavaka ny taom-pianarana vaovao koa ny fampianarana asa mahaliana toy ny rafitra, ny zaitra… Hanampiana azy ireo hahaleo tena any aoriana izany. Omena sakafo isan’andro any an-dalikasy ny mpianatra mandritra ny 10 volana haharetan’ny fampianarana ka sakafo 45 000 isan-taona no zaraina. Ankoatra ny fanabeazana, misitraka fitsaboana fototra sy ny fikoloana ny nify koa ny mpianatra sy ny fianakaviany.
Manao hetsika fitadiavam-bola ny fikambanana hamatsiana ny asa rehetra tanterahina mandritra ny taona. 41 ireo mpikambana ao amin’ny Rotary Mahamasina Antananarivo. Tafiditra anatin’ny lohahevitry ny Rotary international “Miaraka manasoa” ny hetsika rehetra tontosaina.
Vonjy




