Association Fanilo: Nisitraka fanampiana ireo mpampianatra

Nahazo tohana avy amin’ny Association Fanilo ireo mpampianatra Fram maherin’ny 350. Notanterahina ny herinandro teo teny amin’ny Cisco Avaradrano. Manampy izany ny didimpoitra faobe ho an’ny zanaky ny mpampianatra narahina fizaham-pahasalamana sy fitsaboana maimaimpoana sy fizarana fanafody. Nomena zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) koa izy ireo, toy ny vary, paty, savony, sira, menaka…
Tonga teny an-toerana nanotrona ny Fanilo ny mpitarika ny TGV Avaradrano, Rija Rajaonah sady mpiahy ny fikambanana. Notsindriny tamin’ny lahateniny fa mandray andraikitra feno amin’ny fampandrosoana ny firenena ny mpampianatra. « Ny fianarana no lova tsara indrindra ho an’ny taranaka kanefa tsy ho vanona izany raha tsy eo ny mpanabe”, hoy izy. Nambarany fa santatra am-bavarano ihany ny fifampitsinjovana tahaka ity fa ny manetsabe mbola ho avy. Teny filamatry ny Association Fanilo : “Izay iray vatsy, iray aina”.
Tsiahivina fa efa miely hatrany amin’ny faritra ny fikambanana amin’izao fotoana. Ahitana izany ny any Vakinankaratra. Hitsangana tsy hoela ny any Itasy. Eo koa ny eny Atsimondrano, ny faritra Bongolava ary ny eny Avaradrano. Eo koa ireo faritra maro hafa. “Tanjona ny hielezan’ny fikambanana manerana ny Nosy hahafahana mifampitsinjo sy mifanampy  amin’ny mpampianatra”, hoy ny filoha mpanorina, Ratsimandresy Aina Nambinintsoa.

Synèse R.

Partager sur: