INDRAY MIJERY

Nitsidika ny Centre de formation professionnelle sy ny Lycée technique professionnel Belo sur Tsiribihina ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakasa nandritra ny fandalovany tany amin’ny faritra Menabe, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hijerena akaiky ny fivoaran’ny fiofanana. Eo koa ny filan’ny sekoly arakasa eny an-toerana indrindra ny fanohanana ilaina amin’ny fampitaovana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa.
Natolotry ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Ivontoeram-pikarohana momba ny torohay sy fahalalana siantifika ary tekinika Tsimbazaza, ny Revue scientifique de Madagascar (RSM). Profesora 40 avy amin’ireo oniversite enina eto Madagasikara no mandrafitra ny komity siantifika.
Noraisin’ny filohan’ny oniversite Toamasina tao amin’ny birao fiasany, ny faran’ny herinandro teo, ny filohan’ny oniversiten’ Antananarivo, niaraka tamin’ny ekipan’ny Académie de Recherche et d’Enseignement Supérieur (Ares), izay fiaraha-miasa amin’ireo oniversite sy foibem-pikarohana any Belgique. Nampa­hafantarina nandritra ny fihaonana ny Ares, izay fandaharanasa manao tantsoroka ny fikarohana sy ny valim-pikarohana eny anivon’ny Anjerimanontolo momba ny fisitrahana vatsim-pianarana ho an’ny mpampianatra mpikaroka.

Partager sur: