Fasana roa novakian’ny jiolahy tany amin’ny fokontany Ampiakarana, kaominina renivohitra, disitrikan’i Soavinandriana afakomaly. Nahita ireo fasana efa nisokatra ny mpandalo iray tamin’ny 8 ora maraina ka nampandre ny tomponandraikitra. Tonga nijery ny zava-misy ny polisy avy amin’ny CSP Soanivandriana. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny taolan-dava valo tao anatiny. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Voasambotry ny polisy omaly tamin’ny 1 ora sy sasany maraina, teny Ankatso, ny lehilahy iray. Nikasa hangalatra fiara iray teny an-toerana izy. Tonga teny an-toerana ny Polisy miasa ao amin’ny CSP 2 Ambohijatovo taorian’ny antso. Mbola tratra teo am-pisokirana ny varavaran’ny fiara saika hangalariny izy io. Nosamborina avy hatrany ary nentina nihazo ny biraon’ny polisy taorian’izay. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha sy ny tohin’ny fanadihadiana.
Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy Katsaoka, kaominina Ambatomirahavavy, distrikan’Arivonimamo, afakomaly ny tovolahy iray. Niseho teo amin’ny RN 1 – PK 23 + 500 tamin’ny 5 ora hariva ny loza. Nandeha mafy sy nanao fisongonan-droa, anaty fiakarana sady fiolahana ilay kodiaran-droa. Nidona tamin’ny fiara 4*4 Toyota nifanena taminy izy ka maty. Efa nentina tany amin’ny hopitaly ny naratra hafa taorian’ny tranga.




