Ymagoo sy EMIT – Oniversiten’i Fianarantsoa : Mamolavola tanora ho matihanina momba ny sarimihetsika

Mahomby ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny oniversite miankina amin’ny fanjakana amin’ny famolavolana tanora ho matihanina amin’ny saripika sy ny sarimihetsika. Malaza ivelan’ny Nosy ny sanganasa vitan’ireo mpianatra.

Manamafy ny fiaraha-mi­asa natomboka ny taona 2017 no ho man­katy ny orinasa Ymagoo sy ny sekoly ambony Ecole de ma­nagement et d’innovation technologique (Emit) ao anatin’ny oniversiten’i Fianaran­tsoa. No­raiketina an-tsoratra ary natao sonia omaly, teny Fenomanana Mahazoarivo, ny fanohizana ny fiaraha-mi­asa eo amin’ny roa tonta. Ma­nana mention information, communication et multimedia ny Emit ka mampianatra ny L2 sy ny L3 momba ny fifehezana ny saripika sy ny sa­rimihetsika ny mpampianatra matihanina avy ao amin’ny Ymagoo. “Mam­piavaka ny fiaraha-miasa koa ny fandraisana ny mpianatra hianatra asa eo anivon’ny orinasa rehefa vita ny taom-pianarana isan-taona”, hoy ny mpitantana ny orinasa Yma­goo, Andriantsoa Masy. Tan­jona ny fanandratana ny ta­nora sy ny fampianarana ho ma­tihanina amin’ny saripika sy ny sarimihetsika ary ny fikirakirana drônes.
Ankoatra ny fampianarana eny anivon’ny Emit ao Fiana­rantsoa, Ihosy ary Taolag­na­ro, hanokatra sampam-panofanana ho an’ny olona efa miasa te hanamafy ny fahaiza-manao ny roa tonta ka ny mpampiofana avy ao amin’ny Ymagoo no hisahana izany ao anatin’ny sekoly ambony iha­ny. Atao anaty efitrano sy ampitain-davitra ny fizarana ny fahalalana ary ahazoana mari-piofanana, araka ny fa­nazavan’ny talen’ny Emit, profesora Rakotonirainy Hasina.
Mamiratra ny mpianatra mi­voaka avy ao amin’ny mention information, communication et multimedia satria nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena tamin’ny famokarana ho­nonantsary momba ny kolon­tsaina sinoa. Hananan’ny olona fitokisana koa ny mpianatra ka voaasa matetika any Chine ha­mokatra horonantsary.

Vonjy

Partager sur: