Manomboka amin’ity herinandro ity ny fanisana faobe ireo mpiasam-panjakana mandray vola fisotroan-dronono amin’ny alalan’ny taratasim-bola. Ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny karama sy ny fisotroan-dronono, no mikarakara ny fanisana.
Raha ny fanisana teo aloha, mahatratra 144 125 ireo mpiasam-panjakana misotro ronono manerana ny Nosy. Miisa 128 595 kosa ireo mpisotro ronono mandray amin’ny alalan’ny taratasim-bola.
Zava-dehibe ny fananana antontanisa mazava sy vaovao ahafahana mahazo angon-drakitra mazava sy azo antoka. Hananana tahirin-kevitra nasionaly ihany koa izany. Ankoatra izany ny fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-bahoaka.
Tafiditra ao anatin’ny andry fahatelon’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny hisian’ny fanjakana tsara tantana. Hifarana amin’ny 12 septambra izao ny fanisana ireo mpandray fisotroan-dronono ireo.
Voakasik’izany ny distrikan’Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo ary ny renivohi-paritra 22.
Tokony hitondra karapanondrom-pirenena (CIN) sy ny karatra fisotroan-dronono ireo olona manatona ny toeram-panisana.
Tatiana A




