Handrafitra ny mety ho toetry ny andro amin’ity fiandohana sy ny faran’ny herinandro ity ny tsiokan’ny alizay malefaka. Hahazo vahana kosa izany amin’ny fisasahan’ny herinandro. Manodidina ny 5-24 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 18-37 °C ny tolakandro. Mila mitandrina amin’ny fiovaovan’ny maripana. Mangatsiaka ny maraina sy ny takariva raha toa ka mafana kosa ny ankoatra izay. Handrahona mety harahin’erika any Alaotra Mangoro, ny ilany atsinanan’i Sofia sy afovoan-tany, ny alarobia sy alakamisy. Hiverina ho maina amin’ny ankapobeny ny andro any amin’ny faran’ny herinandro.
26 000 isa ireo mpampianatra horaisin’ny fanjakana ho an’ny telo taona hoavy, ary 3100 no hanampy ireo efa am-perinasa eny anivon’ny sekolim-panjakana amin’ity taom-pianarana ity. Hitombo 7 000 isan-taona ny isan’ny mpampianatra hisitraka tohana ara-bola avy amin’ny fanjakana ka hahatratra 48 000 ny isan’izy ireo hatramin’ny 2028, rah any nambaran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena.
Tahaka ny fanao isam-bolana, niara-nifampitaona indray ireo mpiara-miasa ao amin’ny maternité Befelatanana nanatanteraka asa tanamaro, ny faran’ny herinandro teo. Ny “Service accouchement” no nanatanterahana izany fiaraha-mientana izany. Mitohy ihany ny fandraisana sy fikarakarana ny marary no sady miara-mifanome tanana hanadio sy hanatsara ny rehetra.




