TSELATRA

Vehivavy iray hita teo an-tokotanin’olona tany Ambohimanambola Gara, Antananarivo Avaradrano, afakomaly tamin’ny 11 ora alina. Tsy misy taratasy ahafantarana ny mombamomba azy eny aminy. Nosamborin’ny fokonolona ka naterina eny amin’ny zandary.
Fanafihana mifam-piadiana. Voatazona vonjimaika eny amin’ny Fonjan’i Tsiafahy ireo jiolahy nanafika tokantrano iray tetsy Ankazotoho, kaominina Anosizato Andrefana, Antananarivo Atsimondrano, ny 19 jolay 2025 lasa teo. Mbola tratra tany amin’izy ireo moa ny finday roa very nandritra ny fanafihana. Tadidin’ireo voatafika ihany koa ny tarehin’ireo olon-dratsy satria tsy nisy nisaron-tava.
Nivadika sady nihorirana nanaraka ny sisin’arabe ny fiara taxibrousse rezionaly iray, tao Antsomanga amin’ny lalam-pirenena faha-4, omaly maraina. Raha iny nisongona sarety ka tsy nahafehy ny familiana ny mpamily, izay antony nahatonga ny loza, raha ny fanazavana voaray. Vokany olona roa naratra mafy ary nonetina eny amin’ny hopitaly. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.
Maty voatifitry ny zandary ny alahady lasa teo, ny dahalo iray mpangalatra omby. Noroahin’ireo dahalo roa lahy tany Ankijanakely, fokontany Vohitsoa, Kaominina Miandrarivo, Distrika Tsiroanomandidy, ny omby roa teny an-tsaha. Natao ny fanarahan-dia ka nifanehitra tamin’ny zandary teo Ampotsimbary, fokontany Bemahatazana I, Kaominina Bemahatazana izy ireo. Lavo tamin’izany, ny iray. Tafatsoaka ny iray hafa. Naverina tamin’ny tompony ireo omby.

Partager sur: