Fomba amam-panao: Nanjary fisehosehoana no betsaka amin’ny famadihana

Mbola ao anatin’ny fanatanterahina ny famadihan-drazana ny Malagasy. Na nihena aza ny isa, ny fomba tsy nasiam-panovana. Fa ny fisainana no mety mivaona any amin’ny tsy izy ?

Isaky ny 3 na 5 na 7 taona no mamadi-drazana ny Malagasy indrindra fa ny eto Imerina sy ny manodidina. Hevi-dalina sy fomba amam-panao goavana be no ao ambadika sy fonosin’io fomba amam-panao io. Amin’ny an­kapobeny, avadika ho fifaliana ilay fahoriana tamin’ny fotoam-pandaozana. Fotoana ivorian’ny fianakaviana ma­nontolo ihany koa. Hifam­pitana vaovao, hifampirariana soa, hampitohizana indray ny fihavanana raha sanatria ka nisy ny marisarisa. Hanga­taham-pitahiana sy tsodrano amin’ny fanahin’ireo razana nipoirana ihany koa…
Niova anefa ireo ankehitriny. Razana iray no nipoirana. Samy manana ny tantana ny mpiray tampo. Ao aza ireo miandry amin’ny fotoana manaraka indray vao manao ho azy manokana. Tahaka ireo vahiny nasaina ihany izy mandritra ny famadihan-drazana ataon’ny iray razana aminy.
Fahiny, fady ny mamono sy mihinana kisoa amin’ny famadihan-drazana. Ankehi­triny : « firy ny kisoa novonoina tamin’ny famadihan-dRa­nona ? Ataontsika maro noho ireny ny antsika rehefa mamadika ». Ny famadihan-drazana anefa tsy fifaninanana na fideraderana velively. Niova ilay toe-tsaina. Fahiny, lanonana no natao. Izany hoe, miankina tanteraka amina lamina voajanahary. Ankehitriny, hamadi-drazana, midika ho « andao hanao fety ».
Misy ny fomba fanao amin’ny famadihana. Voahaja ihany ny ankamaroan’ireny. Fa ao koa ny mihoa-pefy. Adidy amin’ireo razana nipoirana no atao fa tsy fanaovana tery vay manta amin’ireo velona tsy manan-komena. Ha­dino ilay fahendrena « izay tsy mahay sobika, mahay fatambary » sy ny « ny bokaboka mameno ny kely andilana » ary ny « fifanampiana ny fiainana ».
Miha very andro aman’alina ireo tena fototra ijoroan’ny fomba amam-panao malagasy. Ny finoana (na antokom-pinoana, na fivavahana) sasany aza efa sahy mamingavinga azy io amin’izao vanim-potoana izao. Raha tsy mahay manarina ny lesoka ny Malagasy. Ho simban’ny en­drika ivelany ny famadihan-drazana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: