Taom-pianarana vaovao : Efa niditra an-tsekoly ny 90% ny mpianatra

Nosantarina ny fiandohan’ny herinandro teo ny taom-pianarana 2025-2026, haharitra hatramin’ny 24 novambra ny roa volana voalohany. Hiroso amin’ny fiatoana kely izany ny 25 novambra ka hatramin’ny 2 desambra ho avy izao.

Raha ny EPP eto Antananarivo, 90% ny tahan’ny fidirana any an-tsekoly, ho an’ireo mpianatra tokony ho any an-dakilasy. Samy manana ny lamina napetrany ny EPP tsirairay, fa ho an’ny EPP iray ato anatin’ny Cisco Antananarivo Ren­ivohitra, tsy maintsy manefa ny latsakemboka hanakaramana ny mpampianatra Fram ny ray aman-dreny tsirairay vao horaisina hianatra ny zanany. “Fianakaviana sahirana ny ankamaroan’ny ray aman-dreny ka mety ho sarotra amin’izy ireo ny hanefa ny vola eny antenantenam-pot­oana fa fepetra napetraka ny handoavana izany mandritra ny fisoratana anarana”, hoy ity talen’ny EPP nanontaniana ity. Mbola manana mpampianatra Fram efatra ny sekoly.

Ho an’ny EPP sasany, ireo ray aman-dreny mbola tavela any ambanivohitra sisa no tsy mbola nandoa ny latsakemboky ny Fram. 95% amin’ny mpianatra no efa tonga ho an’ny andro voalohany. Rai­sina ihany izy ireo rehefa tafaverina. Isaky ny ray aman-dreny ny latsakemboka fa tsy isaky ny mpianatra akory ka nahefa ny vola notakina avokoa ny rehetra.
Ho an’ity herinandro voalohany ity, “prise en main” no ataon’ny mpampianatra. Ma­me­rina ny zavatra tsara ho fantatry ny iray kilasy sy ny zavatra miandry mandritra ny taona. Mitsapa ny fahaizan’ny mpianatra koa ny mpanabe handrefesana ny fari-pahaizan’ny tsirairay.
Manomboka ny fandaharam-pianarana ny herinandro faharoa. Tsy sarotiny amin’ny fitaovam-pianarana ny mpampianatra fa afaka mameno miandalana. Misy ireo manaiky ny hampiasana ny kahie tsy mbola lany tamin’ny taom-pianarana teo aloha ho fitsinjovana ny ray aman-dreny.

Vonjy

Partager sur: