Aretina alzheimer : Ilaina ny fanaovana fitiliana ireo hambana

Manatanteraka fitiliana mai­maimpoana ny aretina alzheimer ny fikambanana Masoandro Mody eny Maha­zoarivo, ny sabotsy 20 septambra. Tsy natao ho an’ny zokiolona irery fa ho an’ny rehetra maniry hisoroka ny tranga mandrisika ny fitiliana. Misy ny fitiliana ny fitadidiana, tosidra, diabeta, IMC…
Hahazo torolalana amin’ny dingana tokony atao raha sendra misy ny mampiahiahy ireo nahavita fitiliana. Mizara torohevitra ihany koa ny fikambanana mahakasika ny fomba fitaizana ny mararin’ny Alz­heimer. Toraka izany ny fitaizana ny tena rehefa miandraikitra marary.
Maro ireo tokantrano mitaiza zokiolona tratran’ny aretina Alzheimer. Mahatsiaro sahirana izy ireny satria sarotra ny mifehy ny marary izay matetika tsy tompon’ny tenany noho ny aretina. Misy ireo zokiolona tena very tadidy ary tsy mahatsiaro ny lalana mody any an-tranony akory. Misy ireo tsy mahatadidy tampoka ny zanany na ny olona ao amin’ny ankohonany.
Tsiahivina fa hivoaka ny 18 septambra izao ny tatitra maneran-tany momba ny aretina alzheimer vokarin’ny Alzheimer’s Disease Interna­tional.
Ity tatitra andiany 2025 ity, izay sary ao amin’ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody no mandrakotra azy. Manasongadina ny fanarenana amin’ny fikarakarana ny mararin’ny Alzheimer ny tatitra.

Tatiana A

Partager sur: