TSELATRA

Jiolahy iray lavon’ny zandary tany Betioky Atsimo, afakomaly alina. Nikasa hanafika tranon’olona iray tany an-toerana izy ary nifanehitra tamin’ny zandary mpanao fisafoana tao an-tampon-tanànan’ny kaominina Bezaha. Nandositra ary voatifitry ny zandary ka lavo. Jiolahy raindahiny ary fanta-daza amin’ny resaka vaky trano sy efa mpamerin-keloka sy efa nigadra matetika ihany koa izy io.

Tovolahy iray voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambilobe. Milaza ho mahafantatra olona ambony afaka mampiditra ho zandary izy ary maka vola amin’ny olona. Nahatratra 1 935 000 Ariary no vola efa azony tamin’io fisolokiana io. Taorian’ny famotorana, naiditra vonjimaika am-ponja ao Ambilobe izy miandry ny fotoam-pitsarana azy. “Averina fa madio ny fifaninanana ho an’ireo maniry hanao zandary », hoy ny tomponandraikitra.

Fiara vaventy iray nivadika teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, omaly. Nitranga teo Firarazana, fokontany Manankazo, distrikan’Ankazobe, ny loza. Tapaka hisatra tampoka tao anaty fiolahana mampidi-doza tampoka ny fiara ka niharan-doza. Vokany, naratra ny mpamily ary nalefa any amin’ny hopitaly Ankazobe. Naratra ihany koa ny zanaky ny tompon’ny fiara tao anatiny.

Fasana roa indray nisy namaky tao Ambony Tanàna, fokontany Ampiakarana, kaominina Soavinandriana Itasy, ny alahady lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny razana miisa valo tao anatiny. Efa novohain’ireo olon-dratsy ihany koa ny fasana roa hafa teo akaikiny, saingy tsy voasokatr’izy ireo. Efa misokatra ny fanadihadiana.

Partager sur: