Mifanome tanana ny tanora matihanina ao Antalaha, izay samy miantsehatra amin’ny maha izy azy avy ka nitondra fampivoarana ny tanàna. Mamirapiratra ny fahadiovana sy ny mari-pamantarana eny an’arabe taorian’ny fanavaozana.
Nitondra endrika fanatsarana ny tanànan’Antalaha ireo tanora sangany ao an-toerana, na JCA. Namiratra ny tanàna ary nohavaozina ireo taklelaby famantarana amin’ny fifamoivoizana eny an-dalana sy arabe rehetra. Miisa 100 no napetaka tamin’izany. Teo koa ny mari-pamantarana misoratra amin’ ny arabe hanampy ny mpampiasa lalana. Natao amin’ny faritra maro, manomboko eo Ambatomitraka hatrany Belle Rose, ny fanatsarana.
Tarigetran’ny JCA ny ho hery mpitarika amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ary kolontsaina ao an-toerana. Maneho fanoloran-tena hampiroborobo ny harena misy sy hitondra va-haolana maharitra amin’ireo fanamby ankehitriny ireo tanora vonona sy sahy hiantsehatra.
Manaporofo ny hetsika nataon’ny JCA fa afaka manova tanteraka ny tontolo iainany ny tanora feno fanoloran-tena. Nandritra ny roa volana no niasa tsy nitsahatra izy ireo nanome endrika vaovao ny afovoan-tanàna.
Tamin’ny alalan’ny hetsika “Nuit de la Vanille” no nanangonana ny hoenti-manana amin’ny fanavaozana. Teo koa ireo malala-tanana nifarimbona tamin’ny JCA.
Nomarihin’ny mpandrindra ny fikambanana, Nerapide Jaonary, fa tsy afaka miantehitra amin’ny fanjakana irery ny fampandrosoana ny tanàna na ny firenena fa andraikitry ny olom-pirenena tsirairay ka manatanteraka izany izy ireo.
Dingana voalohany ihany ity tetikasa ity fa tanjona ny hanohizana ny asa fanatsarana isan-taona. Satria mendrika ny hamirapiratra sy omena tontolo iainana mivoatra ny mponina ao Antalaha izay re-nivohitry ny lavanila maneran-tany.
Miantso ny fanjakana foibe ny fikambanana mba hamita ny tetikasa tena ilaina amin’ny fanokafana ny tanàna, toy ny seranam-piaramanidina ao Antalaha. Efa hita ny fahavitan’ny trano saingy mbola miandry ny fahavitan’ny pista izany.
Tatiana A




