Taom-pambolena 2025-2026 : Volavolaina ny tetiandro

Natao omaly, teny Ampandrianomby, ny fivorian’ny mpisehatra rehetra amin’ny famolavolana ny tetiandrom-pambolena 2025-2026. Tanjona ny hahafahana mamaritra ny dingana amin’ny famolavolana sy famoahana amin’ny fomba ofisialy izany.
Fitaovana hanampy ny tantsaha amin’ny fandaminana tsara ny asa fambolena ny fisian’izy io, mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny fivoaran’ny toetr’andro. Hitondra fanatsarana ny vokatra ary hampihena ny loza sy ny fatiantoka vokatry ny fiovan’ny toetr’andro izany.
Fiaraha-miasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny foibem-pirenena momba ny fikarohana ny famokarana izany ty tetikasa ity. Hampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra ny vokatra azo avy eo. Iara­hana amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, amin’ny alalan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, ny famokarana izany, tohanan’ny tetikasa Prada/ GIZ.
Hivoaka amin’ny fomba ofisialy tsy ho ela, araka izany, ny tetiandrom-pambolena 2025-2026.

Tatiana A

Partager sur: