Tamin’ity herinandro ity, nidina ifotony teny amin’ny sampandraharaha misahana ny vatsim-pianarana any ivelany (SBex), teny Ankadifotsy, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla.
Nijery akaiky ny fomba fahazoana vatsim-pianarana any ivelany sy nitondra fanazavana momba izany amin’ireo ray aman-dreny sy mpianatra ny tenany. Niresaka mivantana tamin’ireo tomponandraikitra rehetra izy ho fanatsarana ny fomba fiasa.
Manomboka ny volana oktobra, efa mandray ny antontan-taratasin’ireo fangatahana vatsim-pianarana ny SBex. Mandalo sivana ireo antontan-taratasy rehetra rehefa misy ny vatsim-pianarana ary ireo mpianatra mendrika sy manaraka ny fepetra takina ihany no hisitraka.
Misy ny komity mandinika ny lisitry ny ankizy voafantina ary hivoaka amin’ny pejin’ny minisitera ny anaran’ireo misitraka izany mba hisian’ny mangarahara.
Mandalo eny anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny masoivoho ny fikarakarana aorian’izany.
Ny governemanta vahiny, toa an’ i Maroka, Rosia, Alzeria, Cuba, Sina, Indonézia,Tonizia, no manome ireo vatsim-pianarana ireo, isan-taona. Tsy tokony hiandry ny filazana vatsim-pianarana ireo mpianatra maniry ny hangataka izany fa azo atao avy hatrany ny manao fangatahana vao vita ny fanadinana bakalorea.
Tatiana A




