24 ora taorian’ny fotoana hanoratana ny lahatsoratra, tsy mbola hita i Nathan na Legofa, tovolahy 14 taona natelin’ny ranomasina, ny tolakandron’ny talata teo, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany. Nilomano tanaty ranomasina niaraka tamin’ny zatovolahy namany teo akaikin’ny trano fandraisam-bahiny lehibe iray izy. Raha ny angom-baovao, tovolahy tokony hiditra an-tsekoly i Nathan fa noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreniny dia mbola tsy afaka nandoa ny saram-pianarana ireto farany. Heverin’ny ray aman-dreniny fa antony nahatonga ny menaky ny ainy ho nanaotao foana, nandro sy nilomano ranomasina, izany. Ankilany, ny andro nisehoan’ny loza dia efa tonga nisitrika tany anaty ranomasina i Lalaina Zanadrano ary niverina avy tao teo amin’ny 10 minitra teo ho eo. Nilaza izy fa malama be no misy biby menamaso fitoloha mihazona azy. Manoloana izay, hametrahana tsato-kazo mahitsy ny faritra misy azy ao ambanin’ny ranomasina. Hanaovana fombafomba ihany koa eo amin’ny faritra misy ny tsato-kazo.
Andaniny, naneho ny heviny ihany koa ny mpihazona fomban-drazana, Lesabotsy Albert, tetsy amin’ny doany. Voalohany, betsaka ny olona manao fadintany sy fadin-dranomasina, misy manao sangy mihoatra ny loha ka sahy manipy henan-kisao anaty ranomasina. Misy koa ny manao maloto ary ny tena mampalahelo dia misy sahy manao firaisana ara-nofo amin’ ireo vatovato be ireo, vokany tezitra ny razana ka ny tsy manao azy matetika no hiharan’ny loza. “Amiko, tsy tokony hanao fanafody gasy ny ray aman-dreniny fa mifona, mitondra toaka, limonady, vatomamy ary tantely ka mijoro sy mifona amin’ny fadin-tany sy ny ranomasina, mangataka ny hamoahana ny zanak’izy ireo” hoy i Lesabotsy Albert. Na izany aza, samy manao ezaka hikarohana ny rehetra, ny mpanjono mivezivzy manerana ny ranomasina mitondra lakana, ny fokonolona eo amoron-dranomasina mitazana eny ambony rano hatrany.
Sajo




