Behoririka – Antanimena : Napetraka ny lamina vaovao

Nandray fanapahan-kevitra ho amin’ny fandaminana ny tanàna ny kaominina An­tananarivo Renivohitra. Na­nomboka tamin’ity hereinandro ity, voarara ny fiantsonan’ ny fiara eo amin’ny lalana Naka Rabemanantsoa, ma­nomboka eo amin’ny auto-école Cedric, hatreo amin’ny Immeuble Santa. Tsy voaka­sik’izany kosa ny fiaran’ireo mponina manodidina sy na­hazo alalana manokana. Han­draisana fepetra ny ankoatra izay.
Voarara ihany koa ny fivarotana hani-masaka, tsaki­tsaky sy zava-pisotro ankalamanjana amin’io ampahan-dalana voalaza io. Tsy azo atao koa ny fisotroana eny an-dalambe, fa manelingelina ny filaminana amin’ny alina, ma­noloana ireo fivarotana zava-pisotro mandra-maraina.
Na izany aza, hisy toerana manokana hofaritana hifin­dran’ireo mpiantsona sy mpan­jifa, manaraka ny lalana Me­nalamba, manomboka amin’ ny 8 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina.
Tanjona ny hisian’ny filaminana, ny fahadiovan’ny ta­nàna ary ny fanajana ny fiaraha-monina sy hanatsarana ny fifamoivoizana eny Behoririka sy Antanimena.
Efa nanomboka nanatona, niresaka ary nanentana teny an-toerana ny CUA, tamin’ny alalan’ny polisy monisipaly, tamin’ity herinandro ity.
Mampahatsiahy hatrany ny CUA fa voararan’ny lalàna ny fisotroana toaka eny an-dalambe sy eny amin’ny toerana ho an’ny daholobe

Tatiana A

Partager sur: