INDRAY MIJERY

Niofana momba ny fandrafetana ny didy fampiharana ny Document unique d’évaluation des risques (Duer) sy ny fanaraha-maso ny asa aman-draharaha momba ny fambolena ataony ny Inspecteur du travail. Tanjona ny hampiroboro­boana ny asa mendrika sy ny fametrahana ny rariny ara-tsosialy.

Tetikasa manome vahana ny kolontsaina fandraharahana dieny eny amin’ny kolejy ny
« An­kizy Mihary ». Fahafahana mivelatra sy fitrandrahana talentan’ny mpianatra rehetra tsy an-kanavaka izany. Mikendry ny fanavaozana ny rafi-pampianarana mba hitodika kokoa amin’ny fampandrosoana maharitra ihany koa.

Efa nohatsaraina ny fanafody anti-retro­viral hitsaboana ireo mararin’ny Sida ka afaka iaina toy ny olon-drehetra ary tsy hamindra amin’ny hafa. Tsy tokony hiafina ny marary fa manaraka tsara ny fitsaboana ho fiarovana azy sy ny manodidina azy. Tsy tokony hailikilika ireo mitondra ny tsimokaretina fa ampaherezina hazoto hihinam-panafody.

Partager sur: