Fifamoivoizana eto Antananarivo: Fitaterana ara-dalàna ny taxi-moto

Natao tamin’ity herinandro ity, tetsy amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny fihaonana teo amin’ny Kaominina Anta­na­narivo Renivohitra sy ireo mpisehatra amin’ny taxi-moto. Tanjona ny hampanarahan-dalàna sy hitondrana vahaolana amin’ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe. Nihaino ireo olana sy ny soso-kevitra nentin’ireo mpisehatra ny CUA. Hisy ny dingana manaraka hanohizana ny fanatsarana ny asan’ireo taxi-moto ireo.
Efa nambaran’ny Kaomini­na fa tafiditra ho fitateram-bahoaka ara-dalàna sy mahazo alalana ny taxi-moto. Ma­nampy betsaka ny mponina amin’ny fivezivezena izy ireo ka tsy azo hodian-tsy hita.
Tanjona amin’ny fampanarahan-dalàna azy ireo ny hiarovana ireo manao izany asa izany sy hitsinjovana ny ain’ny mpanjifa, indrindra koa manoloana ny mety hisian’ny gaboraraka na tsy fifehezana ny asa.
Hanomanana toerana ma­zava sy voatokana ny taxi-moto mba tsy hanelingelina eny amin’ny arabe sy ny sisin-dalana. iaraha-midinika hatrany ny fomba hirosoana amin’ny fandaminana hampirindra ny asa fitateram-bahoaka.
Maro ireo olona efa tena zatra manjifa ny taxi-moto, indrindra ireo manenjika fotoana. Manampy amin’ny fialana amin’ny fitohanan’ny fiara ary haingana dia tonga amin’ny toerana haleha ny fanjifana azy itony.

Tatiana A

Partager sur: