Anosy… Nandalo fampanoavana omaly ilay kaomisera divizionera

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny eo anivon’ny fampanoavana, mahakasika ilay polisy divizionera nidoroka zava-mahadomelina. Hiakatra eo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana “juge d’instruction” indray ny raharaha, anio. Efa nandalo ny fampanoavana izy omaly.  Noho ny raharaha goavana, hiroso amin’ny fanadihadiana lalina  ny fitsarana. Saro-pady rahateo ny vesatra hanenjehana azy. Izay voasokajy ho isan’ny heloka bebe vava.

Raha tsiavihina, voasambotry ny zandary teo am-pidorohana zava-mahadomelina, tetsy By-Pass niaraka tamin’ny olona iray io kaomisera divizionera io,  ny alatsinainy teo. Noraisin’ny eo anivon’ny polisim-pirenena ny raharaha taorian’izay.  Niakatra fampanoavana, omaly. Efa noahiana ho voasaringotra tamina raharaha fanodinkodinana rongony mahery vaika koa izy, ny taona 2021.

Tsiferana R.

Partager sur: