TSELATRA

Lehilahy nisandoka ho mpitandro filaminana voasambotry ny polisy teny amin’ny Akoor Digue Andohatapenaka, afakomaly. Nanao fanamiana mpitandro filaminana io lehilahy io. Nentina natao famotorana eny anivon’ny kaomisaria 67 Ha izy.
Raim-pianakaviana voafaokan’ny fiara teny An­dranotapahana, ny sabotsy 13 septambra, tamin’ny 7 ora sy sasany. Nentin’ny tsara sitrapo namonjy ny hopitaly CHU Anosiala ilay naratra.
Roa lahy nanendaka vehivavy nandalo teny Isotry, voasambotry ny polisy, ny sabotsy teo, tamin’ny 11 ora sy sasany. Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana io lasibatra io. Nanao ny fikarohana ny polisy ka tratra ireo roa lahy nahavanon-doza.
Olona roa namoy ny ainy vokatry ny fifandonan’ny samy mpianakavy tao Antsarànjana, fokontany Amba­nikibo, kaominin’Anaborano Ifasy, distrikan’Ambilobe, ny alatsinainy 8 septambra lasa teo. Nanana olana ady tany hatry ny ela ny fianakaviana ka nizara. Nisy olona tokony ho nalevina tamin’io andro io ka tsy nampidirin’ny ankilany am-pasan-drazana. Raikitra ny sakoroka ka namoizan’olona roa hafa.

Partager sur: