Taitra ny fokonolona, omaly atoandro. Vehivavy sahabo ho 50 taona teo no hita faty natsingevan’ny rano tsy lavitry ny barazy eo Mandroseza. Tsy nisy nahafantatra azy teny amin’ny manodidina. Tsy nisy taratasy namatarana azy ihany koa teny aminy, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao. Nambarany fa efa niboridana ny tapany amban’ilay ramatoa raha toa ka teny aminy kosa ny ambonin’akanjony. Taorian’io, noentina teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA, etsy Ampefiloha ilay vatana mangatsiaka miandry ny havany na koa izay mahafantatra azy. Ankoatra ity, telo mirahavavy ihany koa hita faty, omaly sy afakomaly, rehefa noentin’ny reniranon’i Onilahy, kaominina Belamoty, distrikan’i Betioky Atsimo. Ny talata maraina teo, niara-nanasa lamba teny amin’ity renirano ity ireto mpianatra ireto. Vita izay, niara-nandro izy ireo. Tampoka teo anefa, noentin’ny rano sady nilentika ny iray ka niantso vonjy. Vokany, nandeha namonjy ny namany ireo roa vavy. Indrisy anefa fa indray niara-natelin’ny rano izy telo vavy ka nifampitadiavana. Hita ny andron’io ihany ny roa vavy raha omaly kosa vao hita ny vata-mangatsiakan’ny iray. “14, 15 ary 16 taona izy telo ireto. Mpianatry ny masera, CEG ary Lycée ao an-toerana izy telo mirahavavy mpihavana ireto”, hoy ny zandary.
Henintsoa H.