Fonjan’Antalaha : Nahazo fiofanana avy amin’ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika ireo voafonja

Anisan’ireo nahazo fanofanana arakasa avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa ny voafonja ao amin’ny fonjan’Antalaha. Nomena mari-piofanana ireo nahavita izany.

Any Sambava, faritra Sa­va, ny minisitry ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloa­ri­soa Marie Marcelline, ao anatin’ny fandaharanasa ho fanatsarana sy fanamafisana ny sehatry ny fanofanana arakasa manerana ny faritra. Nandray azy ireo solontenam-panjakana any an-toerana. Ma­namarika ny finiavan’ny mi­nisitera hanakaiky hatrany ny tanora sy ny mpiofana eny ifotony ny fitsidihana. Sady ha­no­hana ny fanatsarana ny fiofanana, ny fotodrafitrasa ary ny tetikasa samihafa ho an’ny fampandrosoana maharitra ihany koa. Nandritra ny fitsidihany any an-toerana, nisy ny lanonana fanomezana mari-piofanana ho an’ireo voafonja nahavita fiofanana arakasa tao Antalaha, izay natrehin’ny minisitra.

Hitondra fidiram-bola ny fiofanana…
Ity hetsika ity dia tsy mijanona ho fankatoavana fotsiny fa manamarika dingana vaovao eo amin’ny fiainan’ireo voafonja ihany koa. Satria ma­nome azy ireo fitaovana sy fa­haiza-manao ahafahany ma­nangana fiainana vaovao, mi­velona amim-pahamendrehana ary mandray anjara amin’ny fampandrosoana rehefa ta­faverina eny anivon’ny fiarahamonina. Anisan’ny tanjon’ny mi­nisitera ny hanome fiofanana ireo voafonja, hahafahan’izy ireo miatrika ny fiverenana eny anivon’ny fiarahamonina re­hefa vita ny saziny. Efa maro ireo voafonja nisitraka fampiofanana tahaka izao avy amin’ny minisitera sy ny mpiray ombon’antoka. Anisan’ny ta­ranja efa niofanan’izy ireny ny fanaovana mofomamy, ny fa­naovana taovolo sy ny fikojakojana tarehy ary ny fanjairana salaka hampiasain’ny vehivavy rehefa tonga fadimbolana (fiofanana efa nataon’ireo voafonja tany amin’ny faritra hafa).

Vonjy

Partager sur: