Lalaina Zanadrano : Sambany tsy nahomby tamin’ny fikarohana

Natsingevan’ny ranomasina tany amin’ny 10 kilometatra miala ny faritra nilomanosany i Nathan, ilay tovolahy natelin’ny ranomasina, ny tolakandron’ny talata  9 septambra teo. Ny alakamisy alina, tokony ho tamin’ny 7 ora izy, no hitan’ny mpanjono teny ambonin’ny ranomasina, tao Nosindafaza, efa any amin’ny faritr’i Toamasina Ambanivohitra. Amin’ny ankapobeny, disadisam-piarahamonina aminy sy ny dadany, ny renikeliny, no tena votoatiny, nahatonga azy hilomano ranomasina mba hanalany fahasorenana. Eo rahateo ny mbola tsy nampidiran’ny dadany azy an-tsekoly. Nambaran’ny reniny niteraka azy fa marary ny tenany ka tsy afaka hitaiza ny zanany. Efa nisaraka rahateo izy sy ny rain-janany ka lasa taizan-drenikely ny zanany lahy. Tsy manaiky handoa ny saram-pisoratana anarana hidiran’i Nathan an-tsekoly ny renikeliny. Ny rainy, ankilany, mibedy azy hatrany ao an-tokantrano, raha ny angom-baovao. Nohamafisin’ny namany iray izay niara-nilomano taminy, fa efa matetika i Nathan no milaza fa te hifindra hipetraka any amin’ny namany fa mahatsiaro mijaly vokatry ny taizan-drenikely nahazo azy.

Sajo

Partager sur: