Nikarakara hetsika fanofanana sy fakan-kevitra tao Vangaindrano, ny fiandohan’ny volana teo, ary naharitra hadimiana, niaraka ny Birao nasionaly misahana ny fitantana ny loza sy ny tandindon-doza sy ny mpiara-miombon’antoka WHH- Deutsche Welthungerhilfe ary ny Unicef. Ho fanamafisana ny fahavononan’ny fiarahamonina amin’ny fiatrehana ny vanim-potoanan’ny rivo-doza ho avy sy ho fampidirana ireo lohahevitra miampita tahaka ny maha lahy sy ny maha vavy izany. Eo koa ny fiarovana sy ny fampiatiana, araka ny toromarika nasionaly eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ny kaomity kaominaly amin’ny fiomanana. Eo koa ny famolavolana drafitra ho fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza sy ny famintinana sy fanaovana jery todika ny vanim-potoam-pahavaratra lasa. Manampy ireo ny fanangonana soso-kevitra avy amin’ireo tomponandraikitry ny kaominina efa nandalo fiofanana.
Nandray anjara tamin’izany ireo mpikambana ao amin’ ny CCGRC, lehiben’ny distrika sy lefitry ny distrika ary ny solontenan’ireo kaominina avy amin’ ny distrikan’i Midongy sy Befotaka ary Vangaindrano, ny Prefet an’i Farafangana sy ny sekretera jeneralin’ny prefektiora.
Nahafahana nanatsara ny fandrindrana eo anivon’ny faritra ho fanamafisana ny fahafaha-miarina sy ny fahaizan’ny fiarahamonina miatrika loza ny fahavitrihan’ireo mpandray anjara.
Vonjy




