Jean Nirina R. : Mampirisika ny reny sy ny zaza hanao vaksiny

Nitondra fanentanana ho an’ireo renim-pianakaviana mba hanao vaksiny ny zanany ny filohan’ny Hafari Malagasy, sady tale jeneralin’ny orinasa Fitrama, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, ny faran’ny herinandro teo. Marefo ny reny sy ny zaza, indrindra amin’izao fiovaovan’ny toetr’andro izao, maro ireo karazan’aretina miseho sy/na tonga tampoka, noho izay toetr’andro izay. Manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, hanao fitiliana maimaimpoana mandritra ny 10 andro ireo olona manana olana ara-pahasalamana ny fitrama. Nomarihiny fa mifototra amin’ny otra sy ny fampiasana zavamaniry izy ireo. « Ny aretina rehetra dia tsy maintsy mandalo fitiliana ary tsy mampiasa ny fitaovan’ny dokotera na koa manao fandidiana fa mitsabo amin’ny fampiasana raokandro izahay », hoy izy. Nohamafisiny fa misy hatrany ny fanajana ny etika mifehy ny fitsaboana. Nambarany fa mifameno amin’ny asan’ny dokotera ny otra sy ny fampiasana ny fanafody nentim-paharazana ataon’izy ireo.

J.C

Partager sur: