Ny vatana salama sy matanjaka no fototry ny saina milamina. Izany indrindra no anaovan’ny fanjakana ezaka amin’ny fitsaboana mitety vohitra amin’ny alalan’ny Caravane médicale “Sarobidy ny aiko”.
Niainga omaly, tetsy Iavoloha, ny Caravane médicale « Sarobidy ny aiko » andiany faha-33, hitondra fitsaboana mitety tanàna, izay notronin’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy. Hanomboka eo Vakinankaratra ary hanohy any amin’ny faritra Menabe ny dian’ireo mpanao diabe mandritra ny roa herinandro.
Kamiao vory fitaovana miisa 12 no hanatanteraka ny fitsaboana maimaimpoana mitety tanàna. Hampiavaka ity andiany faha-33 ity ny fandidiana maso misy katarakta, ny fizaham-pahasalamana manokana, toy ny cardiologie, ny dermatologie, ny pédiatrie ary ny rhumatologie, izay manampy ireo tolotra efa nisy teo aloha.
Tao anatin’ny 5 taona nisian’ny hetsika, efa mahatratra 275 409 ireo mpisitraka tombontsoa tamin’ny fitsaboana maimaimpoana hatramin’ny volana marsa teo.
“Manokatra varavarana ary manome fitsaboana mifanaraka amin’ny sokajin-taona rehetra ny mpitsabo, ho an’ireo zaza vao teraka, ankizy, tanora, olon-dehibe, raim-pianakaviana, reny mitondra vohoka, ary tsy hadino koa ireo zokiolona. Hisy koa ny fanentanana samihafa, toy ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy”, hoy ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy.
Tolotra maimaimpoana avokoa no hatao manerana ny tanàna hijanonana. Hita tamin’ireo toerana nandalovana teo aloha fa nahasarika ny mponina ny fitsaboana nify sy ativava. Ankoatra ny fanamboarana nify simba sy ny fanalana nify dia nisy koa ny fanaovana solonify sy ny fandidiana ny molotra vaky. Tena nahafaly tokoa ireo mpisitraka izany, nitondra fiovana mivantana teo amin’ny fiainany ary namerina ny tsikiny sy ny fahatokisan-tenany.
Raha ny fandaharam-potoana, anio, no hitondra fitsaboana ao amin’ny faritra Vakinankaratra ity Caravane médicale ity
Tatiana A




