Foibe Manjarisoa 67Ha: Nizarana fitaovam-pianarana ny ankizy

Ho fitsinjovana ireo ankizy beazina ao amin’ny Foibe Manjarisoa 67 Ha, nitondra kojakoja fitaovam-pianarana ho azy ireo ny Fondation Axian, omaly. “Hanamorana ny fidiran’izy ireo an-tsekoly no tanjona”, hoy ny tomponandraikitry ny Fondation, Razakamanantsoa Jessica. Mpianatra an’arivony eto Antananarivo no hanatanterahana ny hetsika ary tena jerena ireo sahirana sy mila tohana, raha ny fanazavany.
Miantoka ny sakafon’ny mpianatra mandritra ny taom-pianarana manontolo ihany koa izy ireo. Ankoatra izany, nanome toky ny hanangana ny Foibe manjarisoa any Toamasina ihany koa ny Fondation izay iarahana hatrany amin’ny Fop.
Tetsy andaniny, nanolotra lamba sy akanjo ihany koa ny minisitry ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra. Nohazavainy tamin’izany fa foibe miandraikitra ny fampidirana an-tsekoly ireo ankizy mirenireny na manao asa an-tselika na tandindomin’ny asa mamoafady eny 67Ha sy ny manodidina ity foibe ity. Tanjona ny hisitrahan’ny ankizy sy tanora ny fandaharanasa, hiadiana amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Zava-dehibe ny famahanana sakafo ireo ankizy, ataon’ny mpiara-miombon’antoka toy izao, satria paikady iray itazomana ny ankizy hazoto hianatra sy hikiry izany.

Tatiana A

Partager sur: