Mikarakara fanenana hetra faobe ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.Tanjona ny hanampiana ny olom-pirenena hahafeno ara-potoana ny adidy amin’ny hetra, izay fototra iorenan’ny fanatsarana ny asa sy ny tolotra eto Antananarivo. Ny hetra no anjara biriky amin’ ny fampandrosoana ny tanàna.
Manomboka ny tetikadim-pirenena momba ny “Digitalisation” ho an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (ETFP). Iarahana amin’ny Unesco sy ireo mpiara-miombon’antoka maro ny fanatanterahana izany. Mifantoka amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao niomerika, ny fanavaozana ny fitantanana ary ny fampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny rehetra ity tetikasa ity.
Nampahafantarina ny fampiharana ny tetikasa “Green Action School”, izay notarihin’ny “Green for a Healthy Madagascar”ary iaraha-miasa amin’ny MEDD sy ny MEN, teny amin’ny CEG Nanisana. Ity tetikasa ity dia miompana indrindra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana miainga amin’ny fanaovana zaridaina na fambolena manamaitso tontolo sy fanodinana fako ho lasa fidiram-bola na ho lasa akora vaovao azo hampiasaina.




