Sendikan’ny acm : Mangataka olona mendrika

Araka ny fikarohana natao omaly, namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikaly (Saki-M) sy ireo solontenan’ny mpiasa anivon’ny sampandraharaha misahana ny sidina ana habakabaka eto Madagasikara, ACM. Nisongadina tao anatin’ity fanambarana ity ny fangatahana amin’ny andrimpanjakana ny mba hanendrena olona madio sy mendrika hitantana sy hiandraikitra ny toeran’ny Tale jeneralin’ny ACM.
« Olona tsy mbola nanao zavatra nanamaloka sy nanome endrika ratsy ny ACM, na teo amin’ny sehatra anatiny na iraisam-pirenena, toy ny rahahara volamena 73kg, Boeing-777, fampiainana trosa izay niafara tamin’ny tsy fandraisana karama nandritra ny telo volana, fanesorana tambin-karama sa­mihafa, indrindra ny vina fanenana karama hatramin’ny 50% toy ny tamin’ny andron’ny Covid-19 no tokony hapetraka eo » teny notsongaina tao anatin’ny fanambarana nataon’izy ireo.
Tsara ny mampahatsiahy fa mety hisy ny fanendrena izay ho Tale jeneraly hisolo toerana anivon’ny orinasa, ka izay no nahatonga io fanambarana io.

Fitia Randria

Partager sur: