Nosokafana tany amin’ny Oniversiten’Itasy ny Institut et observatoire hydro climatique de l’Itasy (IOHI), tamin’ity herinandro ity. Hifantoka amin’ny fikarohana momba ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiantraikany amin’ny loharano, indrindra fa ny farihin’Itasy ny ivontoerana.
Mampiasa fitaovana maoderina, toy ny télédétection, Internet des objets, modélisation ary Faharanitantsaina artifisialy ny IOHI mba hanampy amin’ny fitantanana maharitra ny loharanon-karena sy hiantoka ny hoavin’ny faritra Itasy sy ny taranaka hoavy.
Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana rahateo ny fanamafisana ny fikarohana sy ny fitantanana maharitra ny loharanon-karena voajanahary eto Madagasikara.
Tsy ny tanora avy ao Itasy ihany no afaka hitrandraka izany fampianarana sy fandalinana momba ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiantraikany izany fa ireo tanora avy aty Antananarivo koa. Manoloana ny fahasarotan-drano mihoapampana amin’ny toerana maro dia tena ilaina ny fifehezana ny fitantanana ny loharanon-drano.
Tatiana A




