Firaisankina ho an’i Mananjary : Mifarimbona ny governemanta mamonjy voina

Nankahery ireo traboina vokatry ny haintrano niseho tany Mananjary ny iraky ny filoham-pirenena, nahitana ny minisitry ny Atitany sy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina ary ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina.
Nijery ifotony ny zava-mitranga izy ireo ahafahana manao tombana amin’ny fanampiana maika tsy maintsy hoentina ho an’ireo ankohonana traboina ireo.
Mizara sakafo mafana manodidina ny 500 ho an’ireo tsy manan-kialofana mitoby vonjimaika ao amin’ny EPP Masindrano sy EPP Joseph Robert ny tomponandraikitra eny ifotony.
Mifanampy amin’ny mpitandro filaminana kosa ireo traboina sasany amin’ny fiarovana ireo entan sisa tsy may. Manaraka akaiky amin’ny fanaraha-maso sy ny fandraisana andraikitra ny avy amin’ny BNGRC.
« Efa misy ny sakafo azo raisina avy hatrany, toy ny vary, menaka, voamaina, entina miatrika ny hamehana », hoy ny avy amin’ny BNGRC. Ny toerana hampiantranoana ny olona sy ny sakafony no tena laharam-pahamehana voalohany.
Efa nianga tao Ifanadiana ny vary avy amin’ny fanjakana manodidina ny 30 taonina hamatsiana an’i Mananjary. Hitondra kit scolaire avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena ihany koa ny ekipa ho an’ireo mpianatra izay namoy ny kojakojam-pianarana nandritra ny fahamaizana. Ifarim­bonan’ny governemanta ny famatsiana tafon-trano sy ny fanarenana isan-karazany.

Tatiana A

Partager sur: