Mamatsy fanafody sy lay misy odimoka ireo olona traboina any Mananjary ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nanome ny toromarika rehetra hamonjena ny olona farak’izay haingana ny fanjakana. Napetraka ny paikady rehetra amin’ny fanavotana ireo traboina sy fanarenana ny momba azy ireo haingana.
Nanatanteraka fambolen-kazo teo Analakely ny ben’ny Tanànan’Antananarivo sy ny masoivohon’i Inde. Namboly ravinala, hazo famantarana an’i Madagasikara sy “peepal tree”, hazo famantarana an’i Inde izy ireo. Tanjona ny hikolokoloana ny tontolo iainana sy hanohanana ny fampandrosoana lovainjafy
Hisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana tanterahina eny amin’ny CHU HJRA, ny zoma izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Tolotra ara-pahasalamana afaka sitrahina, mandritra izany, ny fizahana sy fitsaboana maso, fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ary fanomezan-dra.




