Nendahin’ny olon-dratsy ny varavarankelin’ny trano iray nanaovan’izy ireo fandrobana tao amin’ny fokontany Tsarariva, fokontany Mahazoarivo, kaominina Ampefy, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Tsy nisy tao an-toerana ny tompon-trano ka nentin’ireo mpandroba ny entana sarobidy rehetra.
Mpivarotra zava-mahadomelina sady mpidoroka voasambotry ny zandary tao Ivato, fokontany K4, distrikan’Ambohidratrimo, omaly. Nahatrarana rongony tanaty fonosana maromaro teny amin’io lehilahy io.
Mpangalatra moto tra-tehaky ny polisy tao Mananara Avaratra, ny 15 septambra lasa teo. Natosik’io lehilahy io ny moto marika Honda 125 nipetraka teo anoloan’ny trano fisakafoana ao an-toerana. Niroso tamin’ny famotorana ny polisy ka tratra ny mpanao ratsy.
Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny Polisy avy amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) ao Mahajanga, ny alin’ny 17 septambra 2025 lasa teo, tany Tsararano Ambany. Nifanehitra tamin’ny polisy teo am-pikasana hanao ratsy izy, nandositra avy hatrany. Mbola nampiasa antsy lava teny aminy ary saika hamely izany tany amin’ireo Polisy. Voatery nitifitra ny Polisy ka maty noho ny ratra nahazo azy ity jiolahy ity.




